Tanalahy sy angidina (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Mihevera tsara, fa ny andro iray no tsy tanty"

"Ma...ty !" hoy ny tana lava lela.
"Ay !... Vonjeo !... Narary hatry ny ela !"
_ "Zovy ?" hoy Rangidina nandalo.
_ "Zaho !... Maty !..." _ "Sao dia fahavalo ?"
_ "Maty !... Maty !... Kibo !... Tratra !... Loha !...
Herinandro 'zao ...tsy nahafoha !..."
_ "Ndrisy ! Ela nijaliana angaha ?"
_ "Eisy !... Tsy mba… havana… hizaha !"
_ "Mahonena !... Ntrô !... Hakako rano ?"
_ "Aoka !... Fanina aho… ka… tohano !"
_ "Hizahako fanafody kely ?"
_ "Zany angaha reko velively ?
Manatona !"... _ " Fanafody ho'aho "
_ "Aoka !... Lasa !... Maty ka ivavaho !"

Kanjo ! Fiomanana ny "aoka !"
Hoy ny tana : "hano ity fa laoka !"

Velom-bolo ! Faly, dia nihota !
Mody maty, lahy, ny mpanota !
'Zay tsy kinga : simba, voakilema !
Be zareo, no fetsy ! Mitandrema !
--------
Rohy:
609 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104