Tsikirity momba fody (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Toy ny tsindranolahy an-keniheny :
ny tama-miray ihany no miray"

Tafaraka tamin'ny fody nihira
Ilay tsikirity saresaka izay.
Kanefa toa fasika anatin'ny sira :
Tafaraka ihany, fa tsy mba miray.
Rehefa mikalo lay singany irery :
Tsy misy toreby ho saikiny akory,
Ka dia nanjoretra toa olona very
Ilay tsikirity, fa kivy sy ory !
Fa nony nandalo ny namany maro :
Odrey ! Samy revo nanao tsipisandry !
Korana sy hira no indray nifangaro,
Fa mamy ny havana, ho'aho, razandry !

Voambolana :

Toreby : feo fahatelo
Saikiny : feo faharoa, fanampiny
Tsipisandry : dihy, ka ny sandry no ahetsiketsika miakatra sy midina, na ahodinkodina
--------
Rohy:
788 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101