Tsintsina nanao akany (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Aza manao tsinjo voron'i Mazoto"

Sahirana, hono, ity tsintsina kely,
Nikaroka bodo hanaovana akany.
Nahita izany ity renintantely
Ka dia nanontany :
_ Simokitra mafy ny havako izany !
Maninona angaha ?
_ Manaiky ny didy mifehy ny tany :
Manao raharaha !
Nikatroka izy. Nitady, nitaona,
Fandrao diso taona.
Nandrary, nanenona volom-panory ;
Tsy ketraka akory !
Ny volana feno niratra tsy hita :
Ny tranony vita !

Ny tsintsina, manko, madinika ; nefa
Ny zoto mahefa !

Voambolana :

Bodo : volovolo manarona ny voan-javatra sasany, toy ny fanory (na fanoro), malemilemy sady fotsifotsy. Fanao sesi-kidoro izy io. Ampiasaina koa hamenoana ny loha-voatavo, na tapa-tandroka, fanantazana ny piti-batoafo fampiasan'ny Tambanivohitra any Anindrana, solon'afokasoka. Avy amin'io bodo io ny "zazabodo", " bodofotsy", "Rabodo".
Niratra: avy amin'ny " ratra". Ny volana fenomanana dia miratra tsikelikely vao tsinana indray. Ny atodiakoho koa dia miratra, izany hoe mihena ila, rehefa nipetraka ela.
--------
Rohy:
608 1
Mpakafy: jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149