LAHATRA TSY IZAY VOHAKASA (JOHARY J)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be tokoa ny vitanao

na fito taona monja aza

voatery anefa ianao ny handao

misaotra izahay dia mankalaza


indrisy anefa alahelo

ireo tsy mahasaraka anao

manontany tena irery

fa hoe inona no helokao ?


Tsia hoy ianao fa Tanindrazana

tsy azo atao kisangisangy

tsy azo avela ho tany ngazana

na atao fanasa vangy

fa Tanindrazana iombonana

ty Tanindrazana Malala

ny vitany aza natotongana

'ireo vahoaka ho lasa adala.


Anefa anie 'reo zava-bita

izay nitoviana ny any am-pita

naringana sy ireo nodorona...


nefa indrisy efa atomotra

ny fandrosona tena fototra

dila zavona ankehitriny...

'reo tsara nentinao fahiny.

Dia tsy ho hainay intsony na rahoviana

no ho hisy indray no toa anao.

Filoha Ravalo รด , mampamangy

tsarovy am-bavaka 'reo zandry

indrindra i Madagasikara

mitanondrika tomany

nilaozanao tokoa Ravalo

dia zary anjaka ireo dahalo.

Ka tsofy rano ireo madinika

izay notsinjovinao fahiny

hampaherezo mba hitraka

tsy maty fa tsy maintsy lasa

satria:LAHATRA TSY IZAY VOKASA.



Johary.J
17 mars 2009
--------
Rohy:
1465 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115