Neny (JORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Lay nanolokolo sy nitaiza
Tsy namela ahy irery n'aiza n'aiza
Raha ny aminao ry Neny
Tsy afaka ao am-bava raha hiteny

Neny!'lay nisotro rano tsy tiana
Niankin-drindrina irery
Na fahoriana na koa fifaliana
Niharitra ny jaly sahy niari-pery

Neny!nampianatra ahy niteny
Fony 'zaho vao nahay nibada
Nampianatra ahy ombieny ombieny
Manonona ny Neny sy ny Dada

Neny!'lay tsy sasatra nikolo
Nanorotoro sy nananatranatra
Tamin'ny fony manontolo
Nikelezany aina fatratra

Ry Neny tsy foiko eto an-tany
Raha tonga ilay fotoana
Izay handaozanao ny tany
Ny anaranao no ato anaty,hotadidy sy tsaroana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JORO
Nampiditra : Moundzee
Daty : 08/11/2007 06:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142