Lazao azy - joseclaudio
Azo vakiana?
LAZAO AZY
Lazao izy fa:
Mbola misaona hoe ny fanadinoany.
Ka tsy afaka handinika ny efa vita!
Lazao azy fa tsy hisy intsony
Izany hamalona ny efa vita.
Lazao izy fa:
Mbola misaona hoe ny fanadinoany.
Ka tsy afaka hampitamberina ny niaraha-natao.
Lazao azy sady, fa efa voaovany...
Ny tompon'ny fitiavany tany aminao!
Lazao izy fa:
Mbola matory hoe ny fo mpitadidy.
Ka afaka intsony amin'izay ho antsonao.
Lazao izy, fa ny azy hono ny fo efa manan-tsafidy!
Sady efa leo ny kilalaonao.
Lazao azy sady fa:
Tsy may na oviana hoe ny anarany nodorana.
Sady hary elatra koa ny voron'ny akany.
Lazao azy koa fa tsy azony intsony ferana...
Sady tsy izy irery no afaka tiavina eto an-tany!
Joseclaudio_4 jona 2015
Mombamomba
Mpanoratra : joseclaudio

Nampiditra : joseclaudio
Daty : 17/07/2015
Mpamangy : 1071
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
REHEFAMpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY