MISTERY (joseclaudio)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISTERY

Misy any aminao...
Fo mahay mitia fa tsy itiavanao azy.
Misy saina mahay mandinika, fa tsy mitsidika any akory.
Misy toetranao malefaka,
Fa tsy mba mandefitra aminy.
Misy hatsaram-panahy,
Fa tsy mba mitsetra azy mihintsy.
Misy... misy any aminao...
Angolangolan-teny,
Fa tsy mba malefaka aminy.
Ny misy any aminao?
Dia fantako avokoa, hafa tsy ilay mistery
Dia ianao ilay mankahala azy.

Joseclaudio_ 04 septambra 2015.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1136 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : joseclaudio
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 07/09/2015 08:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106