SAONA - joseclaudio
Azo vakiana?
SAONA
Mbola manitra lisy ny akany nialana,
Ka manara-pofona.
Fa ny tanĂ na nilaozany no tonga mangina,
Sy lasa misaona.
Nidify tanaty minitra monja
Ny endrika kanto ka very firavaka.
Fa ny fo mpitadidy no lasa mitraina
K'aleo mivavaka...
Mbola manitra alahelo ny fo manirery,
Ka tsy maintsy mitomany.
Kanefa, ny ranomaso efa nanaovana fara-veloma
Ka ritra tsy misy intsony...
Joseclaudio_ 23 Aogositra 2015
Mombamomba
Mpanoratra : joseclaudio

Nampiditra : joseclaudio
Daty : 07/09/2015
Mpamangy : 861
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
REHEFAMpivahiny
MADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
MISTERY
METEZA