TSIKY (jyno)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra nandao anao ny hafaliana sy ny tsiky
Ka ny haravoanao voageja tsy hifety
Dia avelao ny ao am-po hamoaka teny vitsivitsy
Hanokatra ny molotra omban'ny nifinao mirenty.

Raha sendra tsy misy ny "alaharo", ianao voatampim-bava
Ka tsy misy hirika ho an'ny hevitrao mihintsy.
Tazony mafy ny ao am-po tsy hisendaotra hivazavaza
Ezaho ho mirana ny tava omban'ny endrikao mitsiky.

Raha sendra voateritery, voahitsakitsaka ny hasin'ny zo
Ka lasa toa mahatsiaro ho vasoka tsy mba tahaka itsy olona itsy
Aza kivy fa dia mahatanjaha, koloy tsy ho simba ny fo.
Kezaho tsy ho semban'ny rahona ilay endrikao mbola nitsiky.


Jyno 15/06/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1030 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jyno
Nampiditra : jyno
Daty : 15/06/2016 01:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148