isika roa - Kally (Ikala)
Azo vakiana?
Ilay endrikao mahamanina
No ahatsiarovako ny fiainako
Ilay tarehinao tsy hay adinoina
No maha tonga ahy iaina.
Ny fitsikinao tsy mety lefy
No tsy anadinoiko anao
Ny fijerinao tsara amiko
No mbola hifikirako aminao.
Fitiavana tsy hay adinoina
No hiarako aminao
Tsy hisy anana,tsy hay soloina
Fa ahy sy ho anao irery ihany.
N'iza n'iza miseo ahalala
Na miseo ahafantatra fitia
Dia lazao azy ry malala
Ilay nitiavako an-dry,
fa fitia tsy mety maty
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Kally (Ikala)
Nampiditra : RakotoarinivoDaty : 21/02/2006
Mpamangy : 3101
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Nambinina sy NaryITY FAHANTRAKO
TSINIKO VE?
ny
DERNIER SOUPIRE
NY FOKO
PARCE QUE TU ES VENU
Ilay fitiavako
rafitiavana
Ny alina