TSINIKO VE? (Kally (Ikala))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINIKO VE ?

Amboaran-tononkalo mba finoroko ho an-dry,
Na dia tsy hoe tsara voatra!
Teny vitsivitsy monja , nofonosako fitia,
Dia injao fa nitroatra!

Gorisarisam-peniko! Voasoratra ny anaranao!
Tsy tsinahiko akory!
Nampitony adin-tsaina sy nampisy ainga vaovao,
tonga ody sorisory!.

Misy vetso miampita , voary an-tany lavitra,
Izaho saika toa tsy nino!
Ianao!! Tsy mbola fantatro,kintan-kely ery an-danitra,
Lavitra aho fa aza adino!

Tsotra kely, fohifohy, ity izy azafady!
Fa izao no vao natao!
Dia ho tsiniko ary ve raha somary vazivazy?…
Ny atifoko mila anao.

JOHS
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
3025 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kally (Ikala)
Nampiditra : zazafaly
Daty : 08/02/2006 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015