Anatr'i dada - kanto sarobidy
Azo vakiana?
.....
Banjino ny hoavinao,hoy izy nanamafy
Fa tsy mora ny mitaiza tena anaty fahalebiazana
Tandrovy ka tohano tsy hahazo anao ny gafy
Hoy dada raha nananatra ny tena fahombiazana
Tsy mora letsy io fiainan'io ,izay no ambeti-teniny
Meteza ialahy hitraka foana ary koa mijoro
Fa raha ny zava bitany ny tsara sy ireo neniny
Dia entina hanoroana anao hatrany mba tsy hikoro
i dada, ho dada ihany ialahy rehefa tonga taona
Tsy mora anefa izany na dia tsapa faniriana
Fa betsaka ny fiaina mifangaro toy ny saona
Androany ialahy no faly fa tsy hoazom-pijaliana
Ny ampitso ankamantatra tsy azonao vinaina
Tsy tsinjotsinjo anaty ny heverana ny hoaviny
Fa mety ho fifalina nefa koa ndrao savolaina
Fa tsy afaka mandahatra ireo lanja izay dedaviny
Izao no tadidio,raha mbola miaina ialahy
N'inona misedra izay miseho raha vao mifoha
Dia aza adino letsy ny mitondra am-panahy
Ny mivavaka @Tompo Andriamanitra tsitoha
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : kanto sarobidy

Nampiditra : kanto01
Daty : 15/05/2018
Mpamangy : 826
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
N'ovina ka n'ovinadia tsMivavaka ho azy..
raha mba fantany..
i..Neny
Nofinofy
Fitia
Tsiaro
Henjim-pitia
Ny fitiavana...
Maloka...