i...fitiavana (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maditra loatra lahy,ny fiavin'ny fitiavana
Misesika tsy laitra, hamonjy ito toerany
Na dia tsy mbola taitra akory izato finiavana
Dia tereny hanaiky ny firafitrin'ny toetrany

Hezahina toherina ny lanjan'ireo tiany
Fa mafy loatra re izany dobokin'ny FO
Manakoako hatrany koa ireo vetsom-paniriany
Manambitamby éry ,ny hoe tsy manam-paharoa

Toherina tsy laitra, haravona tsy mety
Fa entiny mitroatra mafy éry izany FO
Raha tsy manaiky ianao,hioarany ny fefy
Tereny tsotr'izao ny hitambarana ho roa

Ka n'iza ianao andà,tsy hankato azy
Dia tohin'ny kilalao ny hitoerany ao anaty
Fa izy tsy misangy sanatria ny hivazivazy
Koa raha tsy mitandrina,dia hanao valifaty
--------
Rohy:
802 1
Hevitra mandeha
JustinTAHIRISOA ( 08/12/2017 14:09)
tiako e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 08/11/2017 09:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101