nahoana? (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no lazaina fa miavona ny fony
Raha toa tsy te hierika akory izay fitiavana
Fa ampy azy ny ratrany ka tsy hitia intsony
Na iza ho miseho fa tena tia sy be finiavana

Nahoana no akoraina fa tsy manan'izy fo
Na dia tsy mihevitra intsony izany hoe tia
Nahoana tsikeraina fa tsy manana ambo-po
Fa efa nahazatra azy ny tokin'ny ho doria

Nahoana fa nahoana no sanginao sahady
Ilay fony izay naratra tsy ela akory izay
Nahoana re!Nahoana no resy tsy mba niady
Satria tofoka ny fony mahare mandrakizay..
--------
Rohy:
864 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 07/11/2017 18:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099