Ny faniriako (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala..

raha azoko nomena ny hoe mandrakizay..
dia ny paradisa izay mbola andrandraiko..
satria tiako foana,ireo roa fanahy iray...
ka raha ahy didi ampolo maro dia efa notsaraiko...

raha azoko natolotra mivantana ny lanitra..
ho solona porofo,fa manga fotsy ny ao am-po..
dia tsy nisalasala fa nitsindry ireo maranitr'..
ny saina sy ny fo manamari-Tia tokoa..

fa fenonao ny foko ka tsy hita n'ifaharany..
resy tsy afa miala fa tena babo tao..
rakom-pifaliana sy dibom-pahasambaran'...
ny an'ilay tsitoha izay nindramiko ho anao..

hindramiko ny teny,sy izay rehetra vitany
hentiko ilazana ireo fitia anatiko ao..
hinoko fa tsy bediny fa hany kosa sitrany..
ny hahalala ny alehiben'ny fitiavako ho anao...
--------
Rohy:
902 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 31/08/2017 19:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145