Ianao - Kanty
Azo vakiana?
Ianao ilay nahatoy izao ahy
Ianao mamelombelona fanahy
Ianao ilay Tompo manan-kery
Tsy mamel' ho manirery
Fa Fitiavana Hafa Loatra
Ianao, asandratro am' Saotra
Am' fo feno tomany.
Ianao tsy mba ho lany mamy
Ianao nanarina ahy mangina,
Ka nandrara-pitahiana
Ho an'ity mpanomponao
Maditra tena maminao
Ianao nanolotra masoandro
Tsy alina tsy tolakandro
Tsy hariva tsy maraina
Eo ianao mamelona aina
Nampianarinao ny foko
Tsy hitana antsokosoko
'Zay avy any am-pon'ny hafa
Ary koa tsy mb'hanatsafa
Ianao izany rehetra izany!!
Ianao nanolotra ahy
Ity malalako sy mamiko.
Izy mampianoka
Hafaliana ny fanahiko.
Sokajy :
Fiderana
Mombamomba
Mpanoratra : Kanty
Nampiditra : kantyDaty : 06/10/2003
Mpamangy : 2130
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy foikoNofinofy...
Ahiahy
Ry tiana