Ry zanako (Karako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry zanako,
Na tiako tahaky ny inona
Satriko ho fihinina
Tsy hiala eo an-tratra ;
Ka zary ho maratra...
Tsy maintsy avotsitro ihany
- Na dia mafy izany…
Hahay hamindra irery
Izaho anefa hijery
Hanara-maso anao ;
Eo fa tsy handao.

Ianao ry zanako,
Na tiako ho tantanana
Sy tiako ho fahanana
Ka izaho no hibaiko
Sy hanjadona izay haiko ;
Tsy maintsy alefako ihany
- Na dia mafy izany…
Hianatra hanidina
Iriko tsy hitsingidina !
Hijery ny any ho any
Fa mody akany ihany.

Ianao ry zanako,
Dia tiako ho toa ahy :
Hiaina amin’ny fanahy ;
Ho leon’ny karenjy
Tsy ho mpivenivenjy.
Tsy maintsy ivavahako
- Tiako anie ny zanako !
Hahita ilay “Lalana”,
“Andrian’ny fiadanana” ;
Ianao dia sarobidy,
Ny zanako voafidy !

Karako
2018-06-18
--------
Rohy:
2355 1
Mpakafy: voatsinampy
Hevitra mandeha
voatsinampy ( 25/07/2018 09:06)
mampihetsi-po, hoventesiko io rehefa ho avy ny fotoana amoahako ny zanako vavy ato an-tokatranonay
karako ( 25/07/2018 19:20)
Mankasitraka e! :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Karako
Nampiditra : karako
Daty : 20/06/2018 14:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146