ANONTANIO HOE .....? - ketaka kely
Azo vakiana?
Anontanio hoe ny masoandro
Raha tia anao aho ka nanome
Taratra ampoko ao isan'andro
Hafanana be dia be
Anontanio hoe iny volana iny
Raha tia anao aho ka naniry
Hoe ny ho avintsika fifaliana
Ho fankatoavana ilay dina
Anontanio hoe ny havoana
Raha tia anao aho ka nandohalika
Fa ity foko re tsy mivaona
Fa tena tia ka tsy hivadika
Anontanio hoe ny habakabaka
Raha tia anao ahoa ka nitady
Niaritory aho ,eny , nivavaka
Hiadana isika handresy ny ady
Anontanio hoe ny ranomasina
Raha tia anao aho tsisy fetra
Ary koa ilay voady masina
Hajaiko ampo tsy antery setra
Anontanio hoe ny renirano
Raha tia anao aho ka niharitra
Ka nofafaiko ankitsirano
Ny hadisoanao tsy voafaritra
Anontanio hoe ny kitrok'ala
Raha tia anao aho foana foana
Ty foko kely adaladala
Milaza tia sy tena noana
Anontanio hoe ny voronkely
Raha tia anao aho ka matoky
Ka tsy ho ekeko velively
Raha toa ianao hilaza voky
Anontanio hoe ny tontolo
Raha tia anao aho ngeza be
F'ity fiainako bontolo
Raha odianao tsy hita re
Anontanio hoe ny fonao
Raha tia anao aho tena marina
Ka vonona izy hanavao
Lay fitiavantsika ho tafarina .
21 Jona 2009
Hevitra mandeha
Zozoro (30/07/2009 13:19:29)
Elihangy (28/01/2010 09:56:54)
demande au soleil et aux étoiles..
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsimaDaty : 18/07/2009
Mpamangy : 1132
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Vetso ho anao ry renyMAMPAMANGY
Ny ety ambany masoandro
Misy andro
Sahia milaza
SOMBINAINA
Misaotra Ray ô !
NISY VE ?
Hitsiky aho
Zandry ô ....Nahoana kay?