Misaotra Ray ô ! - ketaka kely
Azo vakiana?
Misaotra Ray ô !
Misaotra anao aho ry Ray
Fa nomenao tombon'andro
Hahafahako mandray
Famonjena isan'andro
Misaotra anao aho ry Nahary
Fa salama tsy farofy
Hahafahako mihary
Ary koa manofinofy
Misaotra anao aho Ray mahery
Fa nomenao fo miantra
Hahafahako mijery
Ireo madinika mahantra
Misaotra anao aho Tompo soa
Fa nomenao fahalalana
Hahafahako mamoha
Fatoran'ireo resy , hana
Misaotra anao aho Raiko tia
Fa nomenao fahendrena
Hahafahako mitia
Na hahafoizako ny tena
Misaotra anao aho ry Mpamonjy
Fa nomenao fitahiana
Hahafahako milonjy
irony hazo fijaliana ....
Misaotra Ray ô !
Hevitra mandeha
Mysento (02/08/2009 12:02:21)
Misaotra anao aho Raiko tia
fa nomenao fahendrena
hahafahako mitia
na hahafoizako ny tena.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsimaDaty : 25/07/2009
Mpamangy : 1434
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Vetso ho anao ry renyMAMPAMANGY
Ny ety ambany masoandro
Misy andro
Sahia milaza
SOMBINAINA
NISY VE ?
Hitsiky aho
Zandry ô ....Nahoana kay?
ANONTANIO HOE .....?