NISY VE ? (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy ve ?

Nisy ve lay isika roa
Mpifankatia?
Niventiventy hifanasoa
ho doria

Nisy ve lay zaho sy ianao
Toa tsy ho faty?
Variana izao tontolo izao
Hoe nahafatifaty

Nisy ve lay isika roa
Nifampitantana ?
Nitsiriritra avokoa
ireo mpitazana

Nisy ve lay zaho sy ianao
Nitovy fijery ?
Ka nifaly nilalao
Tsy anteritery


Eny nisy ilay isika roa
Niray aina !
Ka niteraka , nifoha
Lay Sombinaina

Eny nisy lay zaho sy ianao
Fa tsy naharitra !
Ny anjara ve sa ny avo ao
No namaritra ?

Eny , nisy tokoa ilay ISIKA ROA

Ketaka kely
--------
Rohy:
1575 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/07/2009 13:16)
Misy ny fisian'ny tsy misy...
pouty ( 10/12/2011 22:09)
Ndrii...saingy ny lasa tsy adino fa mipetraka ho tantara aki ry neny! ny pejy no mivadika fa ny tantara dia mbola mitohy o?
nyratsima ( 11/12/2011 13:41)
Eny akia !!! tantara izany ka tantara e ! ny fiainana mitohy...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158