SOMBINAINA (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombinaina !

Adinoy ireo hadisoana
Ireo tahotra ialao
Fa izaho no hanafoana
Ahiahy anatinao

Raha sendra ianao bolisatra
Zaho re no hianjera
Fa ny ho avinao hamiratra
Tsy hisy sento na tsikera

Ny andro nahaterahanao
No ilay fotoana sarobidy
Nahalalako hoe iza aho?
Tiako ianao satria finidy

Ka raha toa ny eto an-tany
Masiaka be sy tsy mitsetra
Mety hisy ny tomany
Izaho ho eo tsy misy fetra

Tiako raha ny fokelinao
Ho feno fitia sy hatsarana
Ka tsy ataoko fantatrao
Izany hoe fankahalana

Mba satriko he ny hanangana
Tontolo iray tsara tarehy
Ianao tsy ho irery , isika hanana
Hitsiky foana sy hihomehy

Nofiko e ny mba hahafantatra
Ny misiterin'ity tany
Ka mba tsy hisy ankamantatra
Ty fiainana e ! ho mamy

Sombinaiko ô , iriko
Hanome anao ny idealy
Ry zanako ô , ity fisiako
Mba ho anao , isika ho faly
Akaikinao , lavitry ny jaly .

Ketaka kely
--------
Rohy:
2113 1
Hevitra mandeha
hery ( 28/07/2009 08:16)
Ndryyy tsara ery.
nyratsima ( 28/07/2009 13:48)
Misaotra e ! mankahery tokoa hoe mba tsy miteny irery e !!
ANARIM ( 29/07/2009 07:19)
mahafinaritra!
nr ( 29/07/2009 09:10)
mahafinaritra be, tena tsara e
endrika01 ( 29/07/2009 17:22)
Mhhh,tsy miteny irery enao kah,mbola eo ny mpankafy.
nyratsima ( 30/07/2009 10:19)
Misaotra endrika01 an !
nyratsima ( 30/07/2009 10:20)
Misaotra endrika01 an !Misaotra an'i ANARIM sy nr ihany koa !sy ny mpankafy rehetra e !!!
Zozoro ( 30/07/2009 13:11)
Tena mamy eh ! Misaotra indrindra

Manoroka anao aho na dia tsy zanaka aza fa tena ankafiziko ny fitiavan-dray aman-dreny... Mbola hafa ihany i Neny ary manan-danja i Dada...Mankasitraka.
nyratsima ( 31/07/2009 10:32)
Misaotra betsaka zozoro a! ny asa soratrao koa tena manainga fanahy avokoa e !
mankasitraka e !
ketaka kely ihany no ratsima e !!!!!
Mysento ( 02/08/2009 11:49)
nofiko e ny mba hahafantatra
ny misiterin'ity tany
ka mba tsy hisy hankamantatra
ty fiainana e! ho mamy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103