Injay (Ketsa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay fa tonga indray ilay embona miainga avy any alavitra any
Moa va izaho no mahatsiaro sa enao no mieritreritra ahy
Fotoana fohy monja no any niarahantsika
Nefa kosa toa mafonja harovako tsy hangatsiaka

Taona maro izay no efa nifankahalalana
Mifamantatra taminy soratra sy sary
Ankehitriny nihaona ireo vatantsika
Ka tanteraka amin’izay ireo faniriana sesilany

Soa fa nisy ireny rehetra ireny
Nahafahana mamantatra ny tena avy ao anaty
Ka vao maika nampitombo ilay fitia
Izay efa ela no niorim-paka

Nihaona tokoa isika, tsy nisy toa izany
Inona anefa no nentiny izay
Fahasambarana tsy hita ho tantaraina
Sa kosa alahelo tsy hay tohaina

Toneko ny foko tsy hanantena
Fitiavana izay tsinjoko sahady fa tsy ho ahy
Fitiavana izay efa fantako
Fa andositra ahy ho any hafa indray
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1683 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ketsa
Nampiditra : Ketsa
Daty : 08/07/2004 12:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136