Setrin'ilay tonkalo " adala ve ny tia? sy "sarotra" (Ketsa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahoviana no hifanojo
ilay fitiavan’olondroa,
Rahoviana no hihaona
ilay fo roa tena tia tokoa

Sarotra ve ny manantena
fa any andro any volana
Mbola hisy ilay maraina
hilaminan’ny fo sy saina

Ny adala no tia
sa izay tia no adala
Izaho jamban’ny fitia
Moa ve te hahalala ?

Ka raha ho avy ilay fotoana
hitodianao amiko
Moa ve tsy ho foana
Ireo toloko sy tomaniko?

Ka meteza ianao ho ahy
sy ho azy koa tsy manahy
Fa ny any faniriako
dia ny eo anilanao ry tiako.
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
5076 1
Mpakafy: jobs
Hevitra mandeha
Malalason ( 09/07/2004 11:31)
slt ny Ketsa
dia ahoana izany izy nefa tsy mety ampirafesina sady tsy tia mampirafy ? na izany na tsy izany aloha dia misaotra an'ise ny tenako
raha mahaliana an'ise dia valio.
R.JO
Ketsa ( 09/07/2004 12:03)
Dia tampona izany ny domy ! fa dia soa ihany fa mbola nisy ny tononkalo hanasitrana fo mivalo!
NyKanto ( 09/07/2004 13:07)
Mety tampina ve ny domim-pitiavana ? amiko tsia ny valiny... tsy misy tantara izay tena tapitra ka tsy azo atomboka intsony ... hevero tsara izany, ny fihaonana indray, ny fifampiresahana, eny na ny fisarahana aza dia manokatra lalam-baovao hatrany, tsy tena tampina tanteraka!!!
Ny Kanto.
Ketsa ( 12/07/2004 09:08)
Tampina ny domy @ilay olona tiany R Jo ka! satria efa any ankafa ny fon'ilay notiaviny.
bitaka ( 23/06/2006 11:20)
mankarary an-doha be ny misaina an'izany kah fanina sahady aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ketsa
Nampiditra : Ketsa
Daty : 09/07/2004 10:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109