You are here: home > Vetso

Anatra - kintana

Raiso mora,
Ry tanora,
Zay ho tsara
Mba ho zara.

Andosiro,
Halaviro
'Rony hafa
Mpanantsafa !

Giazo mafy
Mba hihady
'Tony saina
Be taraina.

Tena adala
Raha ny vala
No dikaina
Tsy hajaina.

Fa ny hendry
No voatendry
Ho mpanjaka
Sy hizaka.


Ny Fahazavana, aprily 1928

Mombamomba

Mpanoratra : kintana

Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019
Mpamangy : 159
Mankafy : 3
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha