...ILAY NITIA ANAO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho asiako alahelo
Na dia satriko ry tiako
Ny mbola hianok'eto androany
Lay fitia zay nifaliako
F'efa nisy mantsy lasa
Nisambarako an'izany
K'aoka indray mba ho an' ny hafa
F' izaho aleo hanganohano

Tsy ranomason-jaly anefa
Na ranomason'antso tody
Fa tsiaro fotsiny miantefa
Tselik'embona misody

Ny hany kely mba anafarako
Raha toa ka azonao atao
Raha tadidinao ny anarako:

Dia INY ILAY NITIA ANAO.

KIRIAH
--------
Rohy:
1891 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 01/10/2013 21:59)
ny anaranao tsy adino
ary ianao koa mahazo mino
fa ny lasatsika izay tantara
mbola voatahiry tsara

ny aminao tsy asiako very
hotsaroako rehefa irery
hasambarana tsy haiko afoy
na tantara hoe tsy nitohy
raozigasy ( 01/10/2013 21:59)
ny anaranao tsy adino
ary ianao koa mahazo mino
fa ny lasatsika izay tantara
mbola voatahiry tsara

ny aminao tsy asiako very
hotsaroako rehefa irery
hasambarana tsy haiko afoy
na tantara hoe tsy nitohy
kiriah ( 02/10/2013 17:42)
Misaotra anao tsy hanadino
iny lasantsika iny
Io ny foko hamarino
Raha toa ianao mitady tsy hino
Fa miantso mafy :

Avia aho fihino !
Soarilala ( 14/10/2013 06:35)
Hoy ilay hira hoe:

Ny lasantsika
Tsy hay ho fafana
Tsy mety mangatsiaka
Fa tadidiko mazàna .....
kiriah ( 14/11/2013 12:54)
zany mihitsy!
andry 1000 ( 14/03/2015 04:56)
Fa nandalo ireny de niserana
Toy ny orana nifafy..
Fa ny anaranao???
Tsy adino mandra-maty

Ny tantarantsika reny
Efa vitako tsianjery
Tsy ho adino ry lalaiko
Fa singotry ny aiko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106