DIA GAGA AHO ! (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mody hoe hiandry faty
izay no fialàny tato
dia nolazainy tsara
fa mety ho taratara
ilay fodiany an-trano
sy famenoany rano .

Ny aliaka tsy voafahana
'lay hidim-baravarana
sy kiakan 'ny karetsaka
no hany solon-dresaka.

" Ratsy tamba-zotra
ny aty ambany vohitra
tsy dia mahazo loatra
na niezaka sy nihoitra
ny mba hiantso anao "...
hoy 'lay laingany vaovao

"... Avereno ny antsonao
afaka fotoana fohy "
Ny ranomasoko nijohy
satria ilay malalako
efa diso fantatro
fa atsy ambadika atsy
dia mody hoe niandry faty

.... fatin ' IZA ?

SAO ILAY FITIA NIOMBONANAY
IZAY NANARY AINA IZAY ?

KIRIAH

10/11/2012
--------
Rohy:
1535 1
Hevitra mandeha
raozigasy ( 16/11/2012 08:46)
Ilay faty izay nandrasany ? ambarako aminao
Tsy tena faty akory, fa faty kilalao
Faty noforonina hivoahana ny trano,
Razana tsy misy , fa arira sy angano

Fa ny tena marina, izay no lainga masiny
Entiny hanamarina, ilay kabary ts’isy sasiny
Fa izy te hivoaka, hanitanita-dia,
Fa nihanatsatso taminy ilay tsiron’ny fitia

Tsy lany tsiro akory, fa ny sirany no tsy ampy,
Ka izay no hevi-petsiny, any an-kafa hoe manampy
Dia lasa kely izy, nidila naka saina
Fa hiverina eo izy , rehefa maraindraina



kiriah ( 16/11/2012 22:35)
Tpt !!! tsy mila tsouny aho rah marain ' andro izy vao hody ka !
Mitantsotia ( 04/04/2013 10:09)
Nareo anankiroa 'reto tena gravy an! Manan-talenta henjana
bessy ( 05/04/2013 09:02)
Faty ahoana koa,
resaka kitoatoa,
sao dia fatim-pitia,
fitia mankahia,

raha izaho, ianao,
tsy ivakiako loha,
dia ny mba hatao,
mandinika aloha,
sao dia ny aoriana,
no lasa any aloha,
toy ny pataloha
raozigasy ( 04/09/2013 21:23)
Hiverina eo izy rehefa maraindraina
tsy nety ny dia tany ka tena niala maina
fa any an-trano ihany, hono no maminy sy tiany
ny hafa any ivelany, ange ka kindriandriany

Any aminao ihany, hono no misy ny ambiansa
ny hafa sasany any, fakany kely avansa
any aminao ihany, hono no tena andrian'ny fony
ny hafa any ivelany, fanalany mony

Any aminao ihany, hono no matotra ny resaka
ny hafa any ivelany, fanalany vesatra
any aminao ihany, hono ny fiainany no atokony
ny hafa any ivelany ka fanalany vokony

k'andraso eo hono izy, fa tsy maintsy hiverina
izay sinda kely tany, hono ve tsy ho azonao leferina
fa ianao ihany hono, no tokan-tompon-daka
sady na inona ataony, ianao no mahazaka !!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102