HANAKORONTAN-TRANO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy 'nge malala akorotantsika kely aloha 'ty efitrano 'ty a!
'Reo entana etsy havanana hosaritahantsika dia avadika hiankavia
Iretsy seza iretsy ndeha atokotokontsika mba hanerana ny trano
Raha toa manaiky ianao, tsy iandrasana fotoana, alefa korontano

'Ry lalimoara iry izao akisakisatsika mba hihazo ny afovoany
Ny vera sy lovia izay mipirina ao anatiny avadika am-pofoany
'Lay vata mampangitsy mipetraka etsy andrefana tsiahivo sao adino
Afindra miatsinanana na farafaharatsiny akisaka eo atsimo

Avoakantsika koa aloha mba hakahaka rivotra ny akanjo sy fitafy
Aharontsika hitambatra eny an-tsefantsefany eny ireny boky, taratasy
Ny voninkazo kosa mba tandremo dia tandremo, tsy tokony hongotana
Isika moa malala tsy hoe hanimba zavatra fa kosa ...HANAKORONTANA

Rehefa efa izany, izay vao kotabaina ny filamin'ny fandriana
Ary io no tena ho asa sy sarotra vitaina raha toa tsy ifanampiana
Eto anilako eto ianao fa aza dia misitaka sy manalavitra any
Dia moramora ihany fa sao ka sanatria hanaitra ny ao ambany!

KIRIAH
--------
Rohy:
1158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104