KIRIMBO - KIRIAH
Azo vakiana?
Tabataban-draha mamoha fahasivy
mazavatsimazava mifody anatihidy
mandroso anao rasaky ! ,
anao ny paibato
hummmm!!!
misy tsirona paraky....
paraky fito tsy hoanin ny jejo
midanika hevo
mifanjevozevo...
raofy ! samatsamao !ampio ny fanahinao !
nalaina kapa ny faladian ' i gagafahanginana
tsy niandry volantsinana
ihinana sa tsinana ?
tsy nisy tambitamby
naka zay tsiramby
mampadilo vangy
iny izy...ito aho...
Paibato hafa ny azy
fa hetsehiny ny " fahadalàna hakan' ny "fahendrena" toerana...
manontolo ? ....ampahany ?
afatotra ambalahany
resamatoy , alao ny fivoy !
mivoy azy zany...voizonao mankaiza ny vozoko raha toa ka manantona ny valanofinao ?
heinnnn!!!
ratsy ???
antaninahatsarànaivohimahababo
voa ...voany ...voankazo
- anjara paibatonao zao
- efa nandroso iray aho fa ianao tsy nijery
(ny gisa koa hono manana fo )
KIRIAH
Hevitra mandeha
kiriah (12/01/2013 10:55:20)
hery (15/01/2013 07:44:15)
lol be ilay hoe Ny gisa koa hono manana fo... ary ny gisa mainty?
kiriah (15/01/2013 11:14:38)
ka ozy hoe : ny gisa koa manana fo , mdr !
ny gisa mainty vô ho dinihina
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 12/01/2013
Mpamangy : 1021
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA