MANINONA A ? (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mikorotandrotana
ny saina amam-panahiny
kanefa toa tsy hainy

- maninona mihitsy?

dia io miampifipify
ny faniriana ananany
hilaza izay tantarany
miafin-tsy voazavany
mirafi-tsy voalazany
mihidy mbamin ' ny vazany.

Mikaroka ny lafatra
mba hampitàny ny hafatra
sy hahalalàn ' ny maro
lay ainga mifangaro
anaty fony lalina...
Manaitra sasak ' alina

Poeta a!
Ndehàna aloha matory
fa ny ainga tsy hay terena
Raha toa ka maika ialahy
Fa miandry fanefena, ...
Fifohazana fanahy.

KIRIAH
--------
Rohy:
1264 0
Hevitra mandeha
zkzandrykely ( 17/03/2013 07:55)
Miaha-kanto hatrany hatrany ! Lalina loatra lay hevitra an!! Mahazotoa eh!
Mitantsotia ( 04/04/2013 09:02)
Tsara fa mazotoa hatrany e !
kiriah ( 06/04/2013 20:09)
:-)
raozigasy ( 08/04/2013 18:19)
Toa mievaeva, tsy takatra enjehina izato endin-tsainy
Ny ao an-dohany ao, ainga tsy milamina, ny antony tsy hainy

Fa hevitra sy feo, te hanao amboletra, nefa tsy mivoraka
Tanisanisan-javatra, kiaka tsy miloaka, antso tsy mihoraka
Ireo faniriana anaty, ireo loatra tehitroatra, toa tsy sahy mitobaka
Kanefa ny ambara, toa betsaka sy mihoatra, tena efa bobaka

Nefa ny voambolany, toa tsy mety teraka, handrindra izato hafany
Fa ratsy rindran-damina, ireo fehezan-teny, mpampita izato tafany
Ka ilay torimasony, toa nihafotsifotsy, miezaka mandrary
Ainga sy angola, teny soa ho kalo, ho rima sy kabary

Eny, e ,

Kanefa tsy voafehiny, sady tsy voasorany, ireo vakiraokan-teny
Tsy mbola voatambany, ho fehezan’embona, ireny rehetra ireny
Ka hany sisa heriny, niezaka natory, hanainga nofy vao
Hahamora tefy, ilay tefitefin-teny , hozarainy aminao

kiriah ( 30/06/2013 12:22)
;-)
raozigasy ( 30/06/2013 13:18)
(y)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141