Resakay sy i Fitiavana (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
K : Tsy mahalala fomba ve i Fitiavana no :

.....Lasa tsy manao veloma ary tonga tsy mandodona,
tsy mahalala manao mbay lalana , kondrana sady nahafahana
zatra manao bodongerona, miditra dia maka toerana,
tsy misaotra tsy mahalala voky , f isanandro zao dia mioty,
montsaniny ny atsy sy aroa , dia ilaozany rehefa voa,
tsy mila manao azafady , 'voaozona hitady ady.
vao omaly ianao no nigafy, anio d ' efa tonga sahady,
haninona aty aminay :
...HANAKORONTANA NDRAY ?????

FITIAVANA:

......Hadino angaha ireo minitra , nahasoa ny fiarahantsika,
no tonga manao be fiavy , sy miakatra be ny tambavy,
ianao no te ho sarotiny, tsy mila fitia potipotiny,
mitady an ilay tonga lafatra , tsy mety ho feno sy sambatra,
dia izaho no voateniteny ho antony nahatong ' ireny,

K:
......hita fa tsy mahalala fomba e!

FITIAVANA :
.....Zay tiako ihany re no atao, raha zany no tadiavinao,
miangola te hanao amiko, avy eo tsy mahatanty ny sangiko.
mbola aiza no anaovako anao, itondràko fitia vaovao,
dia avelako kely hiaina, avy eo fenoako taraina,
mianakendry mitsapa ny heriko ??,
KODODOSIKO dia AVEZIVEZIKO.


K:
.......tsy manana hantra


FITIAVANA :
.........zah zany mintsy ka !
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - ahy - Fitiavana
1942 1
Hevitra mandeha
tslem ( 20/03/2012 08:04)
Danz koa zany resakareo sy Fitiavana zany an!
umassac ( 22/08/2012 10:11)
mampitan-takola f'aza voany
kiriah ( 22/08/2012 12:21)
hihih!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104