SAMBON'ADY (KIRIAH )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBON ' ADY

Any ambadimbadika any mbola misy iray misento raha manonona ny anarany
Any lavidavitra any misy lasam-betsovetso mitanisa ny tantarany

Fa io lay sambon ' ady , zay nampihoron-koditra ny fon' ny manan-tiana
Tao no nihondranan ' ireo tanora maro nivavaka mangiana
Dia Hofahofa-tanan' ny "Lay" sy ireo "nilaozana" no tazako eto anio
Reny nitoloko tao anaty zoron-dambany : Ray ô ! mba tahio !

Io lay sambon' ady nidingina fahiny , nirijarija vatana
Io lay tsy mba nihemotra fa zatra nifanamby tamin ' ny loza sy ny fasana
Ao an ' elanelany ao , inoako dia inoako , ampovoan ' ny hazo fisaka
Misy lion ' ny maritiora , dia rà zay efa maina , misisika , mamitsaka

Ny taolam-balonao manara-moron' eto , mitanin' andro foana
F' ireo tantara kosa , mitoetra lalan-dava , mitety ny fotoana

Any ambadimbadika any Mbola misy mitanisa ny lalanao omaly
Any lavidavitra any , Misy iray na maromaro , naverinao ihany

Dia io lay sambon' adin ' ny tia tanindrazana ,nanolotra ny ainy
Miaramila MARO no nilatro tam-pofoany , nanangana ny sainy

"Io Lay SAMBON' ady nikiry ho lalandràn' ny andro sy tantara " (*)
Io Lay sambon ' ady nitolom-pahafàhan' ho any zanaka amam-para

Ô!!! ry sambo zay maratra , Onony ny fonao !
dia etsy avia mitazana

Indreo mpifankatia , eto an' alokalokao no mibitsika fitiavana !

( ... )

KIRIAH

(*) fehezantenin' i Mika Solofonantenaina
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - tantara - Aingam-panahy - Ady
2098 7
Hevitra mandeha
z'andrygasy ( 16/06/2015 05:50)
Tsy ho very ny tantara raha mitohy ny fitahirizanareo azy ao @ kanto. Kanto ny asa soratra iray raha tafita any @ mpamaky ka miteraka aingam-panahy ho azy. Kanto ny asa soratrao fa ny tsipelina no tandremo, aza maika hahavita. Ohatra:tao no niondranan'ireo fa tsy nihondr, mangina fa tsy mangiana, sa inona no atao hoe mivavaka mangiana? Mpankafy ny asa soratrao, manoratà hatrany ho an'ny tanintsika.

Tsy mbola afaka ny taninao, ianao no antenaina
Mitsangana ry KIRIAH, fa ianao lay zaza notezaina
Ny olom-bodo no variana mitango lalitra
Variana miandry mana avy any an-danitra
Fa i KIRIAH KOSA
Tsy mba kanosa
Sa ahoana hoy ianao?
Miezaha, fotoany izao
kiriah ( 16/06/2015 15:41)
Misaotra tamin ny fanitsiana é!
tojoninofy ( 16/06/2015 16:12)
Tsara fa toizo. Tiko be ny fanehoanao ilay tantara, ontsa zany foko raha teo ampamakina
mpisotrtoaka ( 15/07/2015 13:16)
In zany ? Tsara kosa e
joseclaudio ( 22/07/2015 08:35)
Marina zany, mety tsy iray aza fa maro be ny olona misento any
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KIRIAH
Nampiditra : kiriah
Daty : 15/06/2015 20:02
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151