TANTARA INY (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARA INY ...

Tantara ireny! , Tantara hifangaro amin' ireo tantara hafa izay voatahiry ao an-tsaiko sy efa nampitsiky ny fahatsiarovako.
Hanana ny anjara toerany ao izy , hitondra fihetseham-po , dia hitarika ny fanahiko hanao tapody fohy any amin' ny lasa mba ahafahany mitsiahy amin' ny an-tsipirihany izay nisy sy niseho tamin' iny andro iny , tamin' iny ora iny , tamin' iny minitra iny , tamin' iny segaondra iny ...
Tantara iny e! , Tantaran' ny fianaiko sy ny fiainany .
Ampahany ihany anefa , dia ampahany mamikitra ao ampo fa midongy ho isan' ny fahatsiarovana tsy ho adino .
Misy anarana tsy mety hiverina eo ambava , misy fotoana tsy hay faritana intsony hoe taiza ho aiza marina teo amin' ny fiainana moa no nisehoany? , fa ny tantara kosa dia mijanona ho tantara ( na tsy ho tanisain' ny vava aza fa ho tanisain' ny eritreritra )
Tantara iny ! , Tantara mety hiovaova arakaraky ny fahaizan ' ny mpitantara azy sy arakaraky ny vanim-potoana ary arakaraky ny fomba fahazahoan 'izay nanatry maso sy izay te hanovanova ny fizotran' ilay tena nisy marina , ...

Kosa :

- Ilay TENA TANTARA dia ilay tsy manaiky hohaingoanao amin' ny teny fa misisika any an-tsainao any ary mamikitra ny fijerinao ho eny amin' izay itopaza-maso voalohany ka mamerina tsara ny fitadidianao , ...
- Ilay TENA TANTARA dia ilay mahangoligonly ny fonao ka manafoana ny feo rehetra eny amin' ny manodidina mba ahafahanao mihaino ny akon' ny omaly ho eto amin' ny anio indray, ...
- Ny tena TANTARA dia ilay avoaky ny fonao tsy miangatra , ilay tsy afa-hitanila na hanovaova ny tena zava-misy , ary mitondra anao hitsiky na hatahotra , ho menatra , hirehareha , hanenina, sns ..... ary amin' ny farany : HISENTO .

Tantara ireny ! ... dia tantara tanisain' ny fahatsiarovanao.

KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - fiainana - Fitiavana
1922 0
Hevitra mandeha
AINA77 ( 08/03/2014 13:13)
mahafinarityra e
otrany tsra le aingampo ah
jiya ( 11/03/2014 13:41)
tena poeta enw, ( ilay tena tantara................... indray ) io no fehezanteny tena tiko
kiriah ( 06/05/2014 14:23)
:)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105