TIAKO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tiako ny fijeriny
Tiako ny fiteniny
Tiako ny edinediny
Zay mety ho redirediny.

Tiako ny avonavony
Tiako ny anjonajony
Ny famindra sy fijadony e!
Manitra ny ankajony

Tiako ny firesany
Tiako koa ny toetrany
Tiako rehefa izy
No manadina izay tsy izy

Ny hasarotam-piarony
Reo ady sarintsariny
Ny dongy amboarimboariny
Lay feo farimpariny

Tiako rehef ' izaho
No babo tahak ' izao

Sekoly taiza loatra no nanofana anao?

KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fitiavana
2191 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105