Mba rahoviana - lanjaadalampitiavana
Azo vakiana?
mba rahoviana vao ho foana
ny hetraketraky ny tany
ka tsy hisy intsony hisahona
tsy hisy intsony hitomany?
mba rahoviana vao ho hisy
'lay hasambaran-tsy hanam-petra
ka hana-anjaratandrify
ny olombelona rehetra?
mba rahoviana vao hifarana
lay adisarotry ny fiainana
ka anjary fiadanana
ireny fotoam-pitarainana?
eny mba rahoviana ?
Sokajy :
Alahelo
Hevitra mandeha
Herve2012 (29/09/2012 21:51:47)
Mombamomba
Mpanoratra : lanjaadalampitiavana
Nampiditra : lanjaadalampitiavanaDaty : 15/11/2003
Mpamangy : 3748
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
nofyAoka izay