Io no aoka ho ahy - Lanto
Ilay tsikitsikinao
Fandraisana vahiny
Fa mahalala fomba,
Aza omena ahy.
Na 'lay ankiray
Tsiky notefena
Satria ny ao am-po
Ory sy onena
Aoka ! Tsy manahy.
Ilay tsikinao amidy
Tsikitsikim-pifandraisana.
Sy feno hakingana
Tsiky toa mandidy
Natao tsy ho azo lavina
Tsikin'adi-varotra
Aoka koa fa sarotra
Alaina sy tiavina.
Ilay tsikinao navaly
Ilay ahy falifaly
Tsy te-hatao hoe miavona
Mandalo toy ny zavona
Tsy satriko ho raketina
Fa haravoana pentina
Hosoka sy sandoka
Tano sao mamandrika.
Ilay tsikinao mandratra
Fomena fahavalo
Ho solon'antsipika
Aoka re ! mivalo.
Na ilay tsiky eso
Fanolo hatezerana
Sy harika noferana
Tsikaritro nandalo.
F'ilay tsikinao
Vokatry ny fo
Tsy hainao nofefena
Toa menatra, manahy.
Fa tsy tena sahy.
Misisika hiseho
Eo imolotrao
(tsiky volamena)
Io no aoka ho ahy !
9/11/95
Hevitra mandeha
Clarys (05/05/2004 08:59:23)
Mahafinaritra ahy foana ho aho ny tononkalonao fa tsara rafitra. Merci bien
tsikikely (30/09/2007 12:40:21)
Mahafinaritra ny tsikinao. Misaotra.
Elihangy (25/01/2010 10:27:38)
Mombamomba
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lantoDaty : 28/10/2003
Mpamangy : 2781
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Segondra maromaroIza ?
Ianao no izy
Tsy hitia intsony
Antsika
Mahatsiaro anao
Ho ampy ve ?
Tiana
Sampanana
Mindram-betso