Segondra maromaro (Lanto)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Segondra maromaro
No nanginanao
Mitady izay hambara...
Segondra maromaro

Baraingo nifangaro
No tao an-tsaiko tao :
Rahoviana vao hiafara
Ity fahamaonanao ?

Fotoana lava loatra
Raha hampitahaina amin'ny
Zavatra holazaina
Tena lava loatra !!!

Kanefa dia nilaina!
Sa miankina aman'aina ?

Segondra nampiahotra
Ianao vahobahotra
Hilaza hoe "tiako ianao"
Oay izany tahotra !

Ilay oroka fanao
Toa nilam-pisainana
Sy feno fahalainana
Raha iny hifandao.

Segondra maromaro
No nanangonan-kery
Fihetsika an-tery
Fitserana niharo.

Fotoana koa nilaiko
Hitsilo izany saiko;
Ianao tsy hiloa-bava
Hoe ilay fitia dia rava.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3317 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 04/02/2007 18:24)
Tsara le izy, sady mety hindramiko kely rah tsy maadiso.
lanto ( 07/02/2007 11:20)
misaotra e! tsy mahadiso ka :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lanto
Daty : 04/02/2007 09:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014