ANTSO ('Lay fo hafa kely)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendra mba nitopy, ity masoko nijeryhendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, 'lay fanalahidy
notadiaviko hatry ny ela...tsy tadidy
Fa taiza ianao…notadiaviko efa ela
tao anatin'ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak'orana tsy maty
Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihitsy no vintana voatondro
anjarantsika ny ampitso ka hiainana anio
koa raiso 'zany foko, ny antsony valio
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/lay-fo-hafa-kely/antso