ANY AMINAO NY MAMY ('Lay fo hafa kely)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa fitiavana izany, tsy hay ny hanginaraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana.
Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito
Voaanika hatrany, mety ho tonga im-pito
Fa adala izay tia ka tsy mitango 'lay voasary
notadiavina hatry ny ela, notehirizina toa sary
ireo volony misafoto, mandrakotra ny ondana
dia fitiavana ihany koa, handravana izay olana.
F'ito masony mijery, anaty rahon'ny fitia
hitarafako ilay ahy, mitazana mankafy
izato adin'ny fitia tsy ady anaty hakata
fa ianako mihitsy toy ny basy mitatata.
fa ny fofon'ainy miantefa mafana amin'ny hatoko
mampitsangana ny volo rehetra amin'ny vatako
Ny hatsembohona mikoriana, mitsotsorika mandady
tsy mahafaty izany afo mandoro vatana miady
Fa na fiakarana io, na koa fidinana
tsy manempotra mihitsy fa sakafo fihinana
rehefa tojo ilay tiana, notsiriritina hatry ny ela
na miaka-midina aza io, tsy hasiako zay tavela
Eny amin'iny olona iny, 'lay notiaviko mamono
no hitosahan'ny fitia, ranonaina toa ronono
fa kanto ianao sady tokana aman-tany
ka hilalaovan'ny fitiavako...fa avy aminao ny mamy.
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/lay-fo-hafa-kely/any-aminao-ny-mamy
Sokajy :
Fitiavana