You are here: home > Vetso

DERA - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Tompo o! tsy ho haiko refesina, ho lanjaina
Ny fitiavanao mitobaka, isan’andro lava izao
Fa ny tombon’andro azoko, hampitombo ny fisainana
Hiasako lalandava, hankalazako ny Anaranao.

Ny teninao vatsiko no sakafon’ny fanahy
Mampisinda tahotra, rehefa tojo sedra
Fitanisako ihany koa, hijoroako tsy manahy
Ny tontolon’ny fiainana sy ny ady izay mangeja.

Ho inona moa ity izaho, lavitra Anao ilay Mpiahy
Singan-javatra bitika, eo anivon’ny migodana
F’ilay fitiavanao mitafotafo izay nomenao ahy
No hisiako mba hijoro, vavolombelom-pahafahana

Iny olon’iny izay niantefan’ny fitiavako
Ho zava-poana ihany anefa, raha tsy Ianao
No hankasitraka, hamela, hampisokatra ny vavako
Hiantso azy ho malala, hitoetra an-kianjako ao.

Fa lehibe mitafotafo, Tompo o! ny fitiavanao
Tsy takatro refesina, na eritreretina ihany koa
K’izay rehetra vitako, sy izay mbola ho atao
Ho voninahitrao daholo, fa notoloranao ny soa.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 645
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY