You are here: home > Vetso

EKEKO - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Ekeko fa misy ny fanadinoana
Mety hanakona izay vita omaly
Kanefa, hoy aho, izao no tsaroana
Rehefa iny mahatsiaro mijaly

Ilay Tompo mahery miandry eo foana
Ilay nohadinoina  rehefa iny ka sambatra
Izy tsy miala no tsy resim-potoana
Miandry anao hatrany, miandry fatratra

Ny fifaliana handalo sy hiserana
No tsy haharitra mandrakizay
Ka hoy aho hoe : aoka tsy ho ferana
Ny anjaran’ny Tompo, ilay Zoky sy Ray.

Ekeko, hoy aho, fa tsara ny androany
Tsy semban’ny rahona, na aizina mainty
Kanefa, hoy aho, aza rehefa tomany
Vao miantso ny Tompo f’andrao tsy ho tanty.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 659
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY