FA TIAKO LOATRA IANAO ('Lay fo hafa kely)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tiako loatra ianao, ka tsy foiko ho an’olon-kafaSatriko tazonina, tsy ho simban’ny tontolo
fa tiako ho ahy irery, ilay feonao mitafa
mikalo ilay fitiavana, tsy nety bobongolo
Tanaty ady sarotra, ilay feonao nohenoiko
nampitsimoka indray, ilay fanantenana efa maty
nampamelon’aina, ny lasa tsy hay novonoiko
fa tojo anao, voambarako ny rehetra sy izay mba tsy tanty.
Fa ny ady nosedraiko, nitolomako fony irery
tanaty alina mangina, nozaraiko taminao
ny senton’ny fo dia nody fifaliana, tsy foiko ho very
Ireny teny mamy sy ilay fitiavana izay natolotrao
Ilay ranomasoko nirotsaka namonto ny tarehiko
Nezahiko nafenina ho tomany voka-tsetroka
Fa ny masoko bongo, porofon’izay nafeniko
Porofon’ny fitiavako, ‘lay marina tsy meloka
Fa tiako loatra ianao, ho radon’ny fiainako
Hamiratra eo foana, sy voahangin’ny tontoloko
Ka tsy ho zaraiko, fa kanto sy lalaiko
Fa ianao no tena tiako, ahy ka hiambozonako
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/lay-fo-hafa-kely/fa-tiako-loatra-ianao
Sokajy :
Fitiavana