HANKALAZAO - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
Ravoravo ery ny saina,
tojon’ito andro maraina
henika hafaliana tsy voambara
fa mbola tsy diso anjara.
Tsy tsaroana hoe avy aiza
fa dia faly fotsiny mitaiza
ny vatana, bika sy ny endrika
nefa anie io mety ho rendrika.
Tsarovy fa na analin-kisa aza
ny anjaranao mety tsy ho sahaza
raha tsy Izy nanome no hisaorana
Deraina hatrany, eny fa na dia fisaonana…
no hatolony hamenoana ny fo
ho sedra ny hafaliana sy ny soa
niainana isan’andro, naha ravoravo
koa aza adino fa derao, hankalazao ny Avo.
Sokajy :
Vavaka
Mombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 641
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY