ILAY HIRA - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
Nisy hira nolokoiko, hokaloiko ho anao
saingy indrisy, fa sompatry ny tany
k’ilay feony aza, zary lasana nandao
fa akon’ny taraina konaina-tomany
Niangaliako mantsy izy izay
nolaroiko sento, aingam-po
nefa indrisy, tsy fantatra fa may
lavenona sisa, tavela an-doha
ireo sentontsika, kiakin’ny tia
izay nandrakotra fahanginana
no zary mozika nohenoina satria
tsisy feo nivoaka…fa gina
Iny ilay hira, izay nohiraintsika
Tanaty fahanginana, samy tia
Nokoboniko an-tratra, tsisy nahay nandika
Sompatry ny tany fa nalia
Sokajy :
Eritreritra mandalo, Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 947
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY