JESOA NO FANANTENANA - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
Fa na inona sedra, na inona mihatra,
na mangirifiry io, na mamy na mangidy
ady foana, eny tolona tsy ombi-tratra
mijoroa, tokana ihany ny safidy
d’ilay teny tonga nofo, nanolotra ny ainy,
nanaiky ho faty, ho fanadiovana ny ota
tsy nanavaka ny tsy tia, na isika nolalainy,
fa nalatsany ny rany, hihavaozan-tsika tsy ho tonta.
Fa fitsapana maro, eny adin-tsaina hampivena,
Lalan-tsarotra migodana, fisentoana koa hahamay,
Jesoa Kristy, Efa Izy ‘lay Mpamonjy ‘zay nekena,
No hazony mafy fa fiainana mandrakizay.
Ho be ny hamiratra, hisy hampanantenaina,
Hihamaro ihany koa ny antso hilaza famonjena,
Mahereza, aza mety havily na halemy saina,
F’ilay nandatsaka ny rany, Jesoa no Fanantenana.
Mombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 821
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY