KANEFA E ! - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
Resy aho akia, ka tsy tanako tsy hirotsaka
Ny ranomasoko hikoriana hamonto ito tavako
Fa nikiry ihany isika, nisintona tsy ho latsaka
Kanefa e! indrisy, resy re rahavako.
Nantsointsika ny vintana, hanitsy izany dia
Fa mamy tamintsika, ny lasa izay niarahana
Na volana na kintana, nantsoina ihany koa avia
Kanefa e! indrisy, tapaka ny làlana
Ireto tanantsika roa, nifamikitra nalaina
Hisaraka hanamarika, fisarahana hangidy
Ny tananao notanako, ny ahy savolaina
Kanefa e! indrisy, f’izao angaha ny didy.
Ny molotro nangovitra, nanoroka ho farany
Ny molotrao natolotra, mamiko aok’izany
Namerina ny lasa, mampirotsaka tomany
Kanefa e! indrisy, izany no eto an-tany
Dia iny ianao no dify, tsy ho hitako intsony
Ho aloka daholo, ny lala-nombana rehetra
Tsy maintsy hialoalo, ny bikanao tsy foiny
Kanefa e! indrisy, hatreo akia ny fetra
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 1801
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY
MBOLA HISY VE ?