‘LAY MALALAKO - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
niantso ahy lay olon-tiako, fa tomany, hono, ny fony
sendra olana anaty, mankarary mahalonilony
na dia lavitra aza izy, ilay fitia nifanolorana
nampitambatra ny aina, ka mankarary raha voatohina
nolazainy fa tsy rariny, fa miangatra ny tany
raha fitia ho fato-maty no sakana tsy anjary
fa toa sakana hono mantsy, ny tontolo izay iainana
dia tomany ho’aho ny fony, ketraka ny fisainana
efa fantatra eny mantsy, fa kiry no atao
f’ilay fitiavana nirehitra, tsy manaiky avelao
dia marary ihany koa, ity malalany tomany
fa mahalasa adala, ny fitiavana eto an-tany
fa niantso ahy ‘lay malalako, lavitra tsy anilako
ny feony tomany, nampisaina hoe aiza ny lalako
fa tomany ho’aho lay tiako, miantsoantso avia
ry malalako, ry malalako, mbola ho avy aho akia.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 2745
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
TSIAHY
MBOLA HISY VE ?