You are here: home > Vetso

MBA HO TAONA - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Fa miodina ny tany tsy mahalala fahoriana
na ny ady sy tomany tsy nataony nahavariana
fa niodina izy dia izao, vitany ihany ny anjarany
ka tonga indray ny taom-baovao, mbola hitohy ny tantarany.

Ireo kiaka nameno ny tany, nanakoako tsy hay noperana
tsy nanakana azy tsy ho any, hiroso ho amin’ny fanaperana
ka hamita 365 andro, nekeny ho taona iray
ka ny volana sy masoandro no mpitsara azy amin’izay.

Ny tsiky sy ny hehy, endri-piravoravoana
noekeny koa mba handeha hiaraka aminy mandavan-taona
tsy nosakanany tsy hisy fa nilainy mba hampahatsiaro
ireo ady maro mbola misy, tsy mitsahatra….hihamaro ?

Fa mbola hiodina ihany, tsy azontsika hosakanana
na ho hehy na tomany ito tany fiafarana
hitaritarika tsiahy, hikalokalo haravoana
fa mbola hampangotsoka fanahy sy hampitafy koa fisaonana

Fa iriko ho famaranana ito taona vao miandoha
mba hampisava izay ho làlana sy hampitobaka ny soa
ka ny nofiko rehetra, vetsovetso avy ao am-po
ho ankasitrahan’Andriamanitra sy ho atolony avokoa.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 760
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY