You are here: home > Vetso

MBA KRISMASY - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Ataoko ahoana moa, raha mbola velon’aina, no tsy hahatsiaro
fa na nangidy tao am-po, na namelona taraina, tsy maintsy nafangaro
ny endriko sariaka, tojo fitahiana, tara-pahazavana
sy izy ilay nikentrona, ketram-pahoriana, tsy azoko nofafana.

Tonon-taona toy izao, toa rivo-pifaliana, no nandrakotra ny tany
fa tena hoe lavim-pahoriana, ny tontolo niainana, tsy misy mitomany
fa nokoboniko tao anaty, tsy ho endri-kitarafana ny ady izay nolalovana
ilay tavako nitsiky, tojo krismasy, fa  androm-panavotana.

Satria  hoe teraka tamin’io, tao an-tranon’omby, ilay hoe Kristy
hitondra fanafody,  ho an’ny olombelona, indrindra ireo izay nania
k’ireo  kaikitry ny ady, voka-pahotana, anjara nolovaina
ho resiny sahady, IZY hitondra hazavana izay ho ampy zaraina.

K’ito tranom-bongoko, tsy misy fanilo, inoako tsy ho adinoiny
fa tonga, hono, IZY, hizara sy hitsilo, ny lalan’ireo mpino
dia ireo izay manantena, niandry hatrizay, f’ilay teraka anio
no lalam-pandresena, hizorana amin’izay, ka ndeha hifalio.

Kanefa na izany aza, na teraka ho antsika, ilay zanaky ny Ray
tompom-pahefana, tompon’ny anio sy ny mandrakizay
rahoviana ihany, ito vilany nongoko, no mba hisy vary
fa na dia laoka anamamy, ankasitrahan’ity foko, fa avy amin’Ilay Nahary.

Fa mba krismasy ihany koa mantsy, ho an’ny tsy manana, ito ankalazaina
ka na dia hoe tsy misy vatsy, na ho laoka anana, aleo tsy hitaraina
fa mba vavaka no asandratra, ho an’ilay ao ambony, inoako marimarina
fa ho krismasy hahasambatra sy taona mba ho tony, ny ho avy ka hanarina

ny androm-pitarainako, nigoako ny mangidy, nilaozan-torimaso
nanimba ny fisainako, nandiso ny tadidy, fa tena mafy ny ankaso
ka na iainako aza, ny ratsy sy ny soa, dia lalam-piainana ihany
Fa mba krismasy, hampifalifaly ny fo no hisy androany.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 1114
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY