You are here: home > Vetso

MBA SAINO - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Impiry moa ianao no niantso, fa tsy nisy izay namaly
toa kiakiaka an-tany efitra, ka na ny ako aza tsy nanoina
singan-drery tsisy namana, fa tontolo mampijaly
no manodidina hiainana, tsy mba misy azo antsoina.

Dia indro fa mitoloko, o ! ry fiainana mavany
ny andro nahavelomako ve no tsy tsara takon’ila ?
fa faniriako lalandava ny hisavan’ny tomany
hitarafam-panantenana, ny androko sisa tsy ho dila.

Dia mikaroka tontolo, tsy takatry ny fisainana
hampisinda alahelo sy hanamaivana vesatra toloko
saingy indro misy tsy vidina “fanavotana”
hatolotra ho anao, ambongadiny tsy ami-toko

D’ilay Jesoa nanolotra ny ainy, tsy nanisy tambiny
fa foiny tanteraka na dia nangirifiry aza
hanavotana ny olona, noho ny fahotana vitany
ho amin’ny fiainam-baovao, d’ilay Paradisa fanta-daza.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 567
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY