You are here: home > Vetso

MINO AHO SATRIA - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Ny kaikitry ny ady atrehana isan’andro
tsy hay afenina, toa fofona manitra
tsy hahakivy tsy akory,  fa laro – nahandro
ho dingam-piainana, làlan’Andriamanitra

Ny endrika kivy, angamba aloky ny fo
na manjohy lalandava, tampisaka tsy miala
rakofana tsiky, f’inoako Jesoa
hampitsiky rahampitso, hanandratra hanala

Ny lala-mideza, mbola ho diaviko foana
tsy hahakivy tsy akory fa inoako hatrany
f’I Jesoa Tompo ilay namoky ny noana
dia inoako fa vatsy, tsy ritra tsy ho lany

Mino aho satria ny lasako omaly
na aloka mainty seha-tomany
ny vesatry ny ady na dia nampijaly
dia lanjan’ny Mino, natoky hatrany

Dia mino aho satria na rakotra aza
lamba fisaonana ny androko anio
ny Tompo Mpamonjy hanome ny sahaza
hampifaly ny fo, hampitsiky ny Mino

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 758
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY